Notanterahina ny sabotsy sy alahady 28 mey lasa teo ny fihaonamben’ny karate malagasy sy ny fiadiana ny amboaran’ ny filoha “coupe du président”. Nakarin’i Hanshi Ramanitrandrasana René, 10 eme dan amin’ity taranja ity ho tempana mainty, 6 eme Dan ny filoham-pirenena malagasy, Rajoelina Andry Nirina. 30 taona nanaovana karate rahateo izy. “Vonona ny hifanome tanana sy hanampy ny taranja Karate malagasy ny tenako”, hoy ny filoham-pirenena. “Tsy resaka haiady fotsiny ihany, fa fifehezantena, mampianatra anao hiatrika ny ady rehetra mankany amin’ny fahombiazana sy fanatrarana ny tanjona amin’ny fiainana.”, hoy ihany izy.
Tsiahivina fa tamin’ireo ady 12 nataon’ny filoha, naharesy hatramin’ny farany izy, noho ny fotom-pisainana nentin’ity taranja ity ho azy. Ankoatra izay, notoloran’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry Nirina, ny mari-boninahitra “Commandeur de l’Ordre National.” i Hanshi René. Tsara ny mampahafantatra fa 84 taona i Hanshi René. Namorona ny klioba Maka tao Behoririka izy. Anisan’ireo mpianatra novolavolainy tao ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry Nirina.
Fitia ( Mpianatra asa)