Tato ho ato, voizina sy atao ny fanomezana fahazavana hatrany amin’ny elakela-trano na lalankely hoe anisan’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana. Marina izany. Saingy amin’ny ampahany ihany… Mahavanon-doza hatrany ny olon-dratsy rehefa entin’ny lohany; eny, na amin’ny atoandrobenanahary izao aza. Mety ho tsy fisian’ny olona na ny fahanginan’ny toerana, ohatra, no antony, na tsy fahatahorana na tsy firaharahana lalàna na mpitandro filaminana… Tsy izany ve, ohatra, no mahatonga ny fandrobana na fanendahana? Tsy inona fa fakana an-keriny fotsiny izao eo imason’ny tompony, na amin’ny andro mazava izao aza. Saika eo mandrakariva koa aza ny fiheverana fa anisan’ny mahatonga ny fanavaon-dratsy ny fahantrana, ny fitia te hanambe haingana sy mora, ny fiheverana ny fahalemena amin’ny fampiharan-dalàna ho mbola azo anaovana kolikoly na ahalalana olona…
Amin’izay misy sy iainana amin’izao, tsy ny fisian’ny fahazavana na fanazavana koa ve no anisan’ny mahatonga ny fiainam-pirenena ho tsy hita be ihany? Na karazana tsy filaminana io, na tsy fitoniana, na fifampiahiahiana. Mby ao an-tsaina ho azy amin’izany ny tontolo politika: hanao ahoana ihany? Na eo aza, ohatra, ny fanazavana sy fandresen-dahatra etsy sy eroa: mampitsanga-mitoetra ny sasany hatrany ny hoe hisy sa tsia ny fifidianana amin’ity taona ity? Ho ampy ve ny vola enti-manana amin’izany? Tsy mitsahatra ary tsy mangina koa ny fanehoan-kevitra ny amin’ny hoe fifampidinihana, fiaraha-mitantana, governemanta iraisana, fitondrana Tetezamita… Inona ny marina? Na tsy ampy fanazavana izay atao, na tsy maharesy lahatra ny sasany… Mbola ifampiandrasana be ihany ny raharaha, ifanomezan-tsiny… Ho tonga hatraiza?
Tsy milamina sy tsy mampilamina koa ny tontolo sosialy: vidim-piainana, herisetra, ady tany, fihanaky ny zava-mahadomelina, ny dona mahazo ny seha-pamokarana noho ny fiovaovan’ny toetr’andro tsy hita be ihany… Misy fahabangana na tsy fahampiana izay enti-mihetsika, na efa eo aza ny fanapahan-kevitra amin’ny ady isan-tsehatra sy isan’ambaratonga amin’ny hoe sosialim-bahoaka ho laharam-pahamehana. Olana toekerana tsy voavaha ny fahasahiranana sosialy? Na tsy ampy fahazavana na fanazavana izay aleha sy atao… Mila fifankahazoana sy fifampitokisan’ny vahoaka sy ny mpitondra, raha tiana ny hisian’ny filaminana. Miara-dalana amin’izany ny fangaraharana, ny fanajana sy fampiharan-dalàna… Hatraiza?
R. Nd.