Faritra Sofia: notohanana ara-pitaovana ireo tomponandraikitra eny ifotony

Nahazo ny fitaovana mifanaraka amin’ny andraikiny avy ireo mpitantana eny ifotony sy ny hery mampihodina ny fiainam-bahoaka ao amin’ny faritra Sofia.

Nizara fitaovana maro ho an’ny mpitantana eny ifotony ao Sofia ny fitondram-panjakana, ny faran’ny herinandro teo. Nitarika ny delegasiona tany Boriziny ny minisitry ny Mponina sy ny fiahiana sosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy, Soafilira Princia, niaraka tamin’ireo minisitra sasany nisolotena ny filoham-pirenena, Ra­joelina Andry.
Natolotra tamin’izany ny fiara tsy mataho-dalana ho an’ireo lehiben’ny distrika sy prefet any an-toerana hahafahany mitety ny faritra saro-dalana indrindra sy mitondra fampandrosoana any amin’ireny toerana alavitra ireny.
Nahazo fiara fitaterana marary ihany koa ny hopitaly. Nisitraka moto avokoa ireo ben’ny Tanàna amin’ny kaominina 120 any an-toerana hahafahany mampiroborobo ny fitantanana eny ifotony.
Teo koa ny jiro cobra nanazavana ny tanàna hanatsarana ny fandriampahalemana ho an’ireo kaominina sy fokontany tena mila izany sy mbola miaina anaty haizina tanteraka.
Tsy diso anjara tamin’ny tohana ny mpampianatra mpanabe amin’ireo sekolim-panjakana ka notolorana bisikleta hahafahany mivezivezy hampahomby ny fampianarana ireo ankizy sy tanora ao Bo­riziny.
Nifanindran-dalàna tamin’izany ny fanolorana karatany faobe ho an’ny mponina. Manodidina ny 79.000 ny karatany anjaran’ny faritra Sofia ka nahazo tombony tamin’izany ireo tantsaha mpamboly. Noezahina ho tsotra sy mora ny fikarakarana rehetra hahalavorary ny fahazoana karatany.
Tetsy andaniny, nisaorana manokana ihany koa ireo Sojabe, ray aman-dreny to teny ao an-tanàna ka nomena lelavola. Torak’izany ireo olona manana fahasembana izay notohanana ara-bola ihany koa. Tsy diso anjara ny fikambanam-behivavy izay mitondra fampandrosoana any anaty kaominina.

Tatiana A

Partager sur: