Tarika sy mpanakanto am-polony, samy nametraka tantara tamin’ny “vazo an-gitara” no niray sehatra, omaly. Nanomboka tamin’ireo mpandimby toa an-dry Zandry Gasy ka hatramin’ireo zokiny indrindra toa an-dry Tselonina sy ry Mahaleo izany.
Revy gitara, eny ambony tamboho… Raha hatao kisarisary ilay fampisehoana, omaly, teny amin’ny Coliseum Antsonjombe dia izay no tonga ao an-tsaina. Mba nisy andro iray, nivadika ho “tamboho” lehibe sy niraisana ity toerana midadasika ity. “Feo sy gitara” ny anaran’ny fampisehoana, ary toa ireny fanaon’ny mpinamana eny ambony tamboho ireny tokoa no nitranga…
Tamin’ny 11 ora katroka, naneno ny feon-gitara voalohany. Tsy tokana fa efatra, nifarimbonan’ireo mpitendry kalaza amin’izao fotoana: Nini Kaolibera, Mbola Talenta, Hoby ary Jovin. “Tafan-gilita”, anarana nampisalorana ity fiarahana ity no lasa anaran’ny tarika rahateo. Tsy nangatsiaka fa avy dia nilentika tamin’ireo mpankafy ireo feon-kira an-gitara niavaka nentin-dry zalahy. Hafatra mafonja no nofonosin’ny “Mifankatiava ihany”, satria dia ireo mpijery no nanao ny hira… Tafita teo ny “Feo sy gitara”.
Nanaraka avy hatrany ny tarika Zandry Gasy, izay na zandriny indrindra aza, nametraka ny toerany ihany koa. Voarain’ny mpankafy avokoa ireo hira vitsivitsy nalahatra, ary nangatahan’ny maro haverina ny “Ambanivohitra”… Satria maro ireo mpandray anjara, tsy navelan’ny tarika Tsiakoraka nangatsiaka ny sehatra, namerenany indray ny “Tamboho”, “Te ahita anao”, sns. Efa tao ihany koa i Hery, nanohy tamin’ny “Flavoquine”, “Iriako”, sns.
Mpankafy efa tsindriandaona no novantanin’ny tarika Levelo, ka avy dia niaraha-nihira avokoa ry “Kivarivary” sy ry “Angola vaitra”. Anisan’ireo zokiny indrindra kanefa be mpankafy ihany koa ingahibe Tselonina. Hainy ny nisafidy ireo hira nalahatra, satria dia ireo tena tian’ny mpijery toa ny “Nesy”, “Moly be”, sns, no natolony.
Tolaka ny andro, niakatra i Dama sy i Bekoto… Tarika Mahaleo, notronin-dry Zandry Gasy mba hahafeno ny tolotra. Tsy nisy nipetraka ny mpankafy hatramin’ny farany, indrindra fa nofaranan-dry zalahy tamin’ny “Nosy Milalao”, hira nanamarika ny “Lalaon’ny Nosy tamin’izany fotoana. Nisy hafatra nampitaina ?
“Asio fiverenana!”
Hanitra Ranaivo, fantatry ny rehetra amin’ny maha mpihira tao amin’ny Lolo sy ny tariny azy. Nanao ny “Sedra” sy ny “Misy voalohany, misy farany” izy, nampihoraka ireo mpankafy. Nialoha izany anefa, efa tazan’ny rehetra ny tarika Feo Gasy, izay nahitana an’i Erick Manana. Ito farany avy eo, niverina nanao ny hirany manokana.
Nandritra ny “Revirevinay taloha”, hira pi-maso nataon’i Erick Manana hoan’ireo namany Lolo sy ny tariny no niakaran’ireo mpikambana ihany koa : Bebey, Gôda, Dina, Benny, Ra-Play, Passy ary Hanitra! Nirafitra ny tarika, na tsy teo aza ny tompon’anarana… Feno ny fihetseham-po, ka nangatahan’ny mpijery naverina ny hira ho solon’ny antso avo: “Asio fiverenena…” Mety tsy hisy intsony anefa, ka antony iray nandrisika ireo mpankafy nanatrika ny seho omaly izany.
Efa maizina saingy tsy nisy niala ny rehetra, na ny teny an-tsehatra na ny mpankafy. Niara-niakatra avokoa ireo mpanakanto am-polony, nanolotra hira niarahana, izay azo antoka fa tsy hisy fanindroany intsony… fehiny, misy ho tsaroana hoan’ireo nijery, na nivantana na tamin’ny alalan’ny fampitan-davitra “live streamin” izany. Namaly ny hetahetan’ny mpankafy ny mi’Ritsoka Production, izay nanolotra izany ho ivon’ny fankalazana ny faha-15 taonany. Tsy feno ny Coliseum, saingy ambohipihaon’ireo tena mpankafy ny “Feo sy gitara” kosa anefa…
Zo ny Aina Randriatsiresy