Mpahay kanto, masoivohon’ny orinasam-pifandraisana Telma ihany koa i Rajaosalama Stéphanoelson Hervé na Dadi Love, manomboka izao. Nisy ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety, natao teny amin’ny « Campus Telma » Andraharo, ny Zoma 26 mey 2023, nampahafantarana izany tamin’ny fomba ofisialy. Nanatanteraka ny valan-dresaka ireo solontenan’ny roa tonta. « Haharitra roa taona ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta ary tsy ferana ny mety hitohizan’izany », hoy ny tomponandraikitra eo anivon’ny Telma.
Hery lehibe ho an’ny mpanakanto ny fanohanana azy ireo amin’ny maha mpahay kanto azy. « Manosika anay hanatsara sy hanao zavatra tsara hatrany ny sahala amin’izao, indrindra amin’ny maha orinasa lehibe ity orinasam-pifandraisana ity », hoy i Dadi Love.
Raha tsiahivina, efa misy mpanakanto masoivohon’ny Telma any amin’iny faritra Atsimon’i Madagasikara. Sahala amin’izay ihany koa any amin’ny faritra Avaratra sy Atsinanana. Manampy isa azy ireo, araka izany, i Dadi Love. Samy hahazo tombontsoa ny roa tonta ao anatin’izao fiaraha-miasa izao. Ny tarika izay hampiely ny laza sy ny maha izy ny orinasam-pifandraisana. Ny orinasam-pifandraisana ihany koa hanohana ny tarika ao anatin’izay sehatry ny fifandraisana izay.
Mpahay kanto, mpihira, teraka tao Antsohihy i Dadi Love. Ny taona 2007 no nanombohany teo amin’ny sehatry ny matihanina amin’ny fihirana. Nalaza, nanakoako erak’i Madagasikara ny lazany sy ny hirany 2 taona monja taorian’izay. Tsy nijanona teo fa nitohy hatrany ivelany izany ka ny taona 2013 izy ireo no nanao seho tany am-pita voalohany.
Manodidina ny 30 ny hirany. Mampiavaka azy ny fanaovany gadona samihafa. Misy ny mihetsiketsika sy ny milamindamina. Ahafantarana ny tarika koa ny fisian’ny fampihomehezana kely amin’ny hirany.
Lin(Mpianatra asa)