Habibiana tanteraka! Voasambotry ny mpitandro filaminana, omaly, ny zazalahy 14 taona. Sady nanolana no namono ilay zazavavikely vao 6 taona atao hoe “Aylah”, tao amin’ny Fokontany Andohamerina, kaominina Andrainjato centre.
Tra-tehaka omaly, ny zazalahy nahavanon-doza namono an’i Aylah, zazavavy vao 6 taona monja hita faty teo akaikin’ny “cité de prof” ao Andrainjanto, Fianarantsoa, afakomaly. Nifampitadiavan’ny fianakaviany, tsy hita nanomboka ny sabotsy 27 mey teo izy. “Nanomboka tamin’ny 11 ora atoandro no tsy hita io zaza io”, hoy ny zandary. Tsy mbola nampandre ny mpitandro filaminana anefa ny fianakaviany.
Naharay antso ny zandary fa misy razana hita ao amin’ ny fokontany Andohamerina, ny alahady 28 mey teo. Nidina nijery ny zava-nisy izy ireo, kinanjo ilay zazavavikely, ilay lasibatra. Nataon’ny mpitsabo ny fitsirihana ny razana. Voamarina, niharan’ ny fanolanana ilay zaza. Novonoina taorian’izay.
Araka ny resaka mandeha any an-toerana, valifaty nataon’ity nahavanon-doza ity tamin’ny rain’ny zaza lasibatra no anton’ny heloka bevava vitany. “Tsy afaka manamarina izany ny tenako satria anaty fanadihadiana tanteraka izahay amin’izao fotoana izao”, hoy ny nambaran’ny tomponandraikitra eo anivon’ny polisim-pirenena ao an-toerana, omaly. Ny ray aman-drenin’ilay zaza voaolana sy ilay mpanolana izay mpihavana ihany. Efa natolotra ny fianakaviana ny razana. Marihina fa nanao ny fikarohana ny zandary, saingy miandraikitra ny fanadihadiana lalina mahakasika kosa ny polisy.
Ankoatr’io, zazavavy 12 taona no bevohoka naolan’ny tovolahy iray tao Iamboloha, Ambodinonoka Rangalana, Vatomandry. Voasambotra ilay nahavanon-doza ka nidoboka am-ponja ao Vatomandry. Manaraka fitsaboana kosa ilay zazavavy lasibatra.
Tsiferana R.