Héroïne sy Cocaïne : nizerianina dimy lahy nahatrarana 1,600 Kg

Voasambotry ny polisy misahana ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina mahery vaika (Stup) sy ny avy ao amin’ny kaomisaria Itaosy ny teratany nizerianina dimy lahy mpanao trafikana zava-mahadomelina ma­hery vaika. Tratra tao amina trano iray eny An­dra­no­nahoatra Itaosy, izy ireo, ny faran’ny herinandro lasa teo. Nahazo angombaovao ny polisy momba ny fisiana teratany vahiny mitazona zava-mahadomelina mahery vaika simika eny an-toerana.
Nidina ifotony ny polisy. Tratra teo am-pampifangaroana ireo zava-mahadomelina mahery vaika milanja 1,600 kg izy ireo. Nosamborina sy natao famotorana. Voamarina, nandritra ny fakana am-bavany sy fanadihadiana savaranonando fa nikasa hivarotra sy hanaparitaka izany eto an-drenivohitra izy ireo. Tsy afa-nanoatra satria tratran’ny polisy tampoka izao. Efa mpamatsy ireo mpifoka sy mpitsindrona zava-mahadomelina eny amin’iny faritra 67 ha izy ireo.
Toy ny fanaon’ny vahiny izay mpanao trafika, Faha­zoan-dalana ho an’ny mpizaha-tany no hidirany eto Ma­da­gasikara. Mivadika ho mpanao trafikana zava-mahadomelina izy ireo, raha ny fanazavana voaray.

«Tsikaritra fa zary lasa kihon-dalana andalovan’ireo mpanao trafikana zava-mahadomelina eto Madagasikara satria malalaka ny lalam-barotra eto amintsika, indrindra ireo mpanjifa na eo aza ny ezaka ataon’ny mpitandro filaminana amin’ny famongorana azy ireny.», hoy ny polism-pirenena.

J.C

Partager sur: