Kitra Malagasy : mety ho Bernard Casoni no ho mpanazatra ny Barea

Araka ny vaovao mandeha, anarana mpanazatra roa no fantatra fa mety hitondra ny Barea de Madagascar. Na ilay teratany portiogey, Fabiano Costa, na ilay Frantsay, Bernard Casoni no handimby an’i Nicolas Dupuis.

Araka ny fanadihadiana natao, anarana mpanazatra roa no fantatra fa mety hitondra ny ekipam-pirenena Barean’i Madagasikara. Andaniny, Fabiano Costa, teratany portiogey. Ankilany, ilay Frantsay, Bernard Casoni. Iray amin’izy ireo no anarana mi­hondikondina sy mety handimby ny toeran’i Nicolas Dupuis, teknisianina Frantsay.

Tsara toerana kokoa anefa ity farany, araka ny vaovao farany voaray nandritra ny fanadihadiana. Bernard Casoni no ho mpanazatra fototra ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar. Ilay mpanazatra ny Barea Chan, Rakotondrabe Romuald Felix na i Coach Rôrô no mpanazatra mpanampy. Araka ny fikarohana natao, isasahan’ny fanjakana sy ny FMF ny karaman’ity teknisianina Frantsay ity.

Iza moa i Bernard Casoni? Mpilalao baolina kitra frantsay fahiny. Efa nandrombaka ny “Ligue des Champions 1993”, tao amin’ilay klioba Frantsay Olympique de Marseille (OM), niaraka tamin’i Didier Deschamp, mpanazatra ny les Bleus, Frantsa. Raha teo amin’ny maha mpanazatra azy, efa nitondra ny klioba OM ( ny taona 1998-2000) sy ny FC Lorient (2016-2017) ary ny klioba Mouloudia Alger Club (2017-2019) ny tenany.
Marihina fa tsy mbola namoaka izay tena ho mpanazatra ofisialy ny Barea ny FMF, na dia efa tapa-bolana aza sisa, ny 12 jona ho avy izao, hifanandrina amin’i Ghana isika, etsy
amin’ny kianjan’ny Barea Ma­hamasina,
Tsara ny mampahafantatra fa eo amin’ny laharana farany ny Barea, amin’ny fifanintsanana isam-bondrona hiakarana amin’ny Can Côte d’Ivoire 2024.

Ankoatra izay, efa vonona tanteraka ny hanazatra ny Barea i Fabiano Costa, saingy mbola misy karamany tsy voalohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Araka io, tsy afaka ny hitondra ny Barea ny tenany. Mahakasika ilay mpanazatra Luis Fernandez indray, mbola mijanona ho mpanolontsaina “consultant Foot” ny hainoamanjery frantsay, BeinSport ny tenany ka tsy afaka miala.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: