Lalana RN 2 : mila manaraka ny fenitra ny asa

Nanomboka ny zoma 26 mey teo, ny fanarenana ny ampahany amin’ny lalam-pirenena faharoa (RN 2). Mirefy 30 km ity andiany voalohany ity, izay anisan’ny tena ratsy, eo Manjakandriana (PK 48+720) hatreny Anjiro (PK 78+100), miampy ny tetezana eo amin’ny PK 117.
Efa eny an-toerana ny fitaovana vaventy ampiasain’ny orinasa CHEC. Nohaza­vain’ny minisitry ny Asa vaventy, ny kolonely Andri­a­natrehina Livah, fa tafiditra ao anatin’ny tetikasa CERC ny asa, iarahana amin’ny Banky Iraisam-pirenena. Amin’ny alalan’ny tetikasa PDDR kosa ny hanarenana ny ampahany hafa amin’ny lalam-pirenena RN 2.
Hentitra ny minisitra, nilazany fa manana ny fenitra takiana ny fanjakana, izay efa voarakitra ao an­atin’ny bokinandraikitra.
Noho ny lanjan’ny RN 2, misy ny fandaminana manokana hotohizan’ny fifamoivoizana tsy tapaka. Miara-miasa manatanteraka izany ny minisiteran’ny Asa Va­venty, ny orinasa manao ny asa, ny mpitandro filaminana, handaminana ny fivezivezena sy ny fiarovana ny ain’ny mpampiasa lalana.

Njaka A.

Partager sur: