Sakafo andavanandro : ahiana mbola hiaka-bidy ny atody

Anisan’ny sakafo be mpividy sy maro mpihinana ny atody. Tato anatin’ny fotoana vitsy tsy nitsaha-
niakatra anefa ny vidiny. Amin’izao 700Ar ny atody iray ary ahiana mbola hiakatra hatrany izany
amin’izao vanim-potoan’ny fety izao.

“Tsy nisy nanam-po mihitsy hoe ho lasa 700Ar ny vidin’ny atody raha tsy mba nandalo fiakarana tamin’ireny fotoan’ ny Covid-19 ireny. Tamin’ity, haingana loatra ny fiakarany ary tena tsy nampoizina ilay izy”, hoy ny filazan-dRasoa, mpanao tsenakely eny Ana­la­mahitsy. Amin’izao akaiky fety izao mbola mandeha sy be mpividy ny atody saingy baraingo kosa aorian’izay, hoy hatrany ny fanazavany.
Alaina 650Ar eny amin’ny mpamongady ny atody iray ka hamidy 700Ar. “Vitsy ny atody alaiko tamin’izy niaka-bidy saingy niniana nampitomboina izany amin’izao vanim-potoan’ny fety izao”, hoy kosa ny mpivarotra iray hafa. Amin’ny ankapobeny, mahalafo atody 30 isan’andro ny mpivarotra iray saingy velon-taraina izy ireo amin’ny vidiny tsy mitsaha- miakatra ity.

Safidy
Mbola misy amin’ireo mpivarotra mbola mitazona ny vidin’atody teo aloha. Matahotra ny tsy hahalafo izy ireo ka nisafidy ny tsy hampiakatra ny vidin’ny entany. “Izaho manokana mbola mivarotra atody ho 650Ar mba hitazomako ireo mpanjifa eto amiko. Saingy kely izy raha oharina amin’ireo 700Ar. Tsy nampihemotra ireo mpividy izany ary misy mihitsy aza no mamandrika azy mialoha”, hoy kosa i Tolotra.
Etsy ankilany, mampanahy ny rehetra ity vidin’atody tsy mitsaha-miakatra ity. Mana­m­py trotraka ny fiakaran’ny vidin’entana andavanandro sy ireo kojakoja maro samihafa. “Voatery ampandeferina ny filàna madinika mba hahafahana misakafo tsara, indrindra ho an’ireo zaza andalam-pitomboana. Ny ankizy tsy mahalala tsy misy fa ianao lehibe no tsy maintsy manao izay azo atao”, hoy ny fitarainan’ny renim-pianakaviana iray. Notohizany fa ho sarotra ny fitantanam-bola amin’ny vidim-piainana miakatra isan’andro sy ny fanomanana ny fidiran’ny mpianatra amin’ny taom-pianarana ho avy.
Ankoatra izay, nilaza ireo mpamongady atody etsy An­tohomadinika fa tafiditra amin’ny vanim-potoana ny hatsiaka isika izao ka tsy manatody ny akoho. Eo koa ny fiakaran’ny vidina provandy sy sakafom-bidy maro samihafa izay mahatonga ny vidin’atody ho miakatra izao.

Henintsoa H.

 

Partager sur: