Manamafy ny asa amin’ny maha tompon’andraikitra azy eo amin’ny fiaraha-monina (RSE) ny orinasa Ravinala Airports. Ao anatin’izany ny fampiroboroboana ny fanabeazana, nanaovana fifanarahana amin’ny fandaharanasa Sesame. Tanjona ny hanohanana ny tanora malagasy sahirana, hahafahany manohy ny fianarany eny amin’ny oniversite ao anaty tontolo mendrika mandrapahatongavany eo amin’ny sehatry ny asa.
Tanora maro monina eny amin’ny manodidina ny seranam- piaramanidin’Ivato no misitraka ny fandaharanasa Sesame. Tohanana koa izy ireo amin’ ny fianarana arak’asa, mandritra ny telo taona, arakaraka ny asa iriany avy. Homena teknisiana hanofana sy ny fanaovana fianarana arak’asa, ny fitantanana sy ny fitarihana, ny fanentanana amin’ny sehatry ny fifamoivoizana ana habakabaka na sehatra hafa tian’izy ireo.
Asa mahomby sy maharitra
Nilaza ny tale jeneralin’ny Ravinala Airports, Julien Coffinier, fa mila maka orina eto an-toerana ny fandaharanasa Sesame, mba hahafahan’ny tanora mampiroborobo ny fahaiza-manaony sy ho an’ny fireneny. Ho afaka hifanerasera mivantana amin’ny efa matihanina ireo tanora, sady hahay ny lanjan’ny tontolon’ny asa sy ny orinasa. Handroso mankany amin’ny sehatry ny asa mahomby sy maharitra izy ireo, eo am-panatanterahana ny asa, araka izay iriany avy.
Njaka A.