Sokatra mampiavaka an’i Madagasikara : ahiana ho lany tamingana ny angonoka

Nosy manan-karena sy manana karazan-javamananaina maro isan-karazany i Madagasikara,anisan’izany ny angonoka. Ahiana ho lany tamingana anefa ity sokatra ity noho izy efa an-kavitsiana sisa. Manao antso avo ny hamerenanan’ireo izay miompy azy ny Turtle survival alliance Madagasikara.

Nankalazaina ny 22 mey teo ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny karazan-javamanaina (JIB). Nisy ny fampirantiana maro isan-karazany natao teny Nanisana. Nandray anjara tamin’izany ny TSA, nampahafantatra sy nampiranty ny angonoka na astrochelys Yniphora.
Anisan’ny mampiavaka an’i Madagasiakara, hita ao amin’ny helodranomasin’i Baly, distrika Soalala, faritra Boeny, any atsimo andrefan’i Mahajanga, ny sokatra angonoka.
Ankehitriny, ahiana ho lany tamingana izy satria efa voaisa amin’ny ratsan-tanana sisa, raha tsy misy fandraisana andraikitra haingana. Tamin’ ny 2016, efa latsaky ny 100 sisa ny angonoka lehibe, araka ny tarehimarika navoakan’ny convention sur le commerce international des espèces de faune et de flore sauvages menacées d’extinction (CITES). Anisan’ny biby lasibatr’ireo mpihaza ny angonoka. Manampy trotraka ny doro tanety, manimba ny toerana fonenany sy mahafaty azy. Mirefy 12.000 ha ny alan-javaboahary misy ny angonoka nefa lasibatry ny doro tanety ny 4.000ha ny taona 2022. Mivelona amin’ny kirihitra bararata ity karazan-tsokatra ity, ao amin’ny helodranomasin’i Baly ihany no misy ny sakafony. «Mamparary ary mety hahafaty azy ny sakafo hafa hohaniny. Raha tsy izay dia mety hiova ihany koa ny bikany”, araka ny fanazavan-dRakotonanahary Tsanta, mpi­tsabo biby sady mpikambana ao amin’ny fikambanana Turtle survival alliance (TSA) Madagasikara.

Miantso ny rehetra
hamerina
Anisan’ny mampirongatra ny fanaovana trafika ny finoanoampoana. Raha ny angonoka manokana, any Sina sy ny firenena any Atsimo atsina­nan’i Azia no tena mila azy. Ao ireo mihevitra fa mariky ny laza sy harena ny fananana ny angonoka. Misy mihitsy ny mihinana ity sokatra ity. Misy ny mino fa biby mampitombo ny filàna ny angonoka. Ho an’ny Malagasy, misy ny mihevitra fa ody varatra sy fanafody ary miaro amin’ny ny sohiaka ny sokatra.
Manao antso avo amin’ izay manana, na miompy, na mahafantatr’olona mitahiry ny angonoka ny TSA mba hampandre azy ireo na hiantso ny laharana maitso 512. “Vi­tsy sisa ny angonoka, tsy misy afa-tsy ny fampiraisana izay hita sisa no fomba hampitomboana sy hamerenana azy any amin’ny toeram-po­ne­nany. Misy anefa ireo mi­ompy azy any an-trano fotsiny. Raha misy lahy na vavy any amin’ireo mitazona azy dia tsy mahalala akory ny ma­ha zava-dehibe ity biby ity, faly miompy azy ao an-tra­no”, hoy hatrany ny fanazavana.

Isaky ny 25 taona vao manatody
Mitaky fepetra maro ny fampiraisana ny angonoka. Mila miady ny lahy raha tsy izay tsy manatody ny angonoka vavy. Ankoatra izay, miankina amin’ny toetr’andro sy ny toerana ny mety hahafoy ny atodiny. Mifandraika amin’ izay koa no mamaritra ny atody foy raha ho lahy na ho vavy. Iankinan-javatra lehibe ny sakafo hohaniny.

Manodidina ny 25 taona vao manatody ny angonoka iray. Mamokatra atody telo ka hatramin’ny 10 isa eo izy. Sarobidy ny angonoka ity: toy ny firafitry ny vatany, ny lokony, ny habeny sy ny lanjany. 60 taona mahery ny fotoam-piveloman’ny angonoka, milanja 5 ka hatramin’ ny 18 kilao.

Henintsoa Hani

Partager sur: