Nisongadina nandritra ny fakan-kevitra, natao tany Toliara, ny anjara toeran’ny vehivavy amin’ny sehatry ny fampandrosoana. Manaporofo ny fanadihadiana nataon’ny minisiteran’ny Mponina fa ny vehivavy no tena fanoitra ho amin’izany. Sady manana fahamatorana amin’ny fitantanam-bola no mahomby amin’ny fitehirizam-bola izy ireo raha miohatra amin’ny lehilahy.
Nahitana izany ny fanaraha-maso taorian’ny fizarana ireo karazana tohana nomena azy ireny. Miarina vetivety ny vehivavy rehefa mahazo izany. Mahaleotena ao anatin’ny fotoana fohy. Mahavita mitantana ny ankohonany na dia mananotena aza.
Hatramin’ny taona 2016, nisian’ny fandaharanasa fiahiana sosialy, nisongadina fa tafavoaka tamin’ny fahantrana lalina ny 80%-n’ny vehivavy nanaovana tohana tao anatin’ny telo taona nisitrahany izany. Afaka mandeha irery sy mahaleotena ara-pivelomana, ary sahy mijoro. Ankoatra ny tohana ara-bola, mahazo karazam-piofanana izy ireo. Anisan’ izany ny fampianarana mamaky teny sy manoratra, ady amin’ny fampanambadiana ny zaza tsy ampy taona, fanentanana ny vehivavy hiditra anaty fikambanana Voamamy, ady amin’ny herisetra, fanohanana amin’ny fahaiza-mitantana ….
Sakana ny herisetra
Sakana tsy hahafahan’ny vehivavy mivoatra ny herisetra mianjady aminy. Antony ny tsy fananan’ny vehivavy anton’asa sy fahaiza-manao amin’ny asa ka tsy manana fidiram-bola. Lasa miantehitra amin’ny lehilahy ka miafara amin’ny herisetra izany. Tsy afaka manampy ny vadiny izy amin’ny fampidiram-bola hany ka vesatry ny ankohonana.
“Izany indrindra no antony hanampiana ny vehivavy hahafahany mampidi-bola hanampy ny vadiny hampiroborobo ny tokantranony. Beazina hanana fiharian-karena mahomby sy maharitra izy ireo ho tena andrin’ny tokantrano”, araka ny votoatin’ireo tetikasan’ny minisiteran’ny Mponina, mpiahy ny vehivavy ireo.
Tatiana A