Adin’ny mpirafy : polisy nanindrona antsy, naiditra am-ponja

Naiditra am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjaben’i Maroantsetra ilay polisy nandratra tamin’ny tsatok’antsy ny rafilahiny. Mbola anatin’ny fitsaboana kosa ilay niharam-boina noho ny ratra mafy nahazo azy. Tsiahivina, nivoraka ny tsinainy. Ny alarobia 24 mey 2023, niakatra teny anivon’ny fampanoavana, fitsarana ambaratonga voalohany, ao Maroantsetra ny raharaha. Mpampianatra ny asan’ity raim-pianakaviana voatsa­tok’antsy ity. Efa niteraka tamin’ny vadiny teo aloha izy, izay lasa vadin’ilay polisy.
Ny alahady faha 14 mey, tonga hanatitra volan-jaza izy. Tokony ho tamin’ny 9 ora alina, niantso ny renin-janany izy ka tonga tao an-tranony ao Ankiakalava II. Voalaza fa handeha hamonjy ny asany any ambanivohitra, ny alatsinainy vao maraim-be ka tsy maintsy nefaina ny alina ny vola. Tsy zakan’ilay polisy anefa izany. Nentin’ny hasarotam-piaro izy. Raikitra ny fifamaliana teo amin’izy roa lahy.
Voalazan’ny fanadihadiana fa efa nitondra antsy ilay polisy tamin’io fotoana io. Raikitra ny fifandirana ka nandratra avy hatrany ilay mpampianatra, ny rafilahihy.

Sajo/J.C

Partager sur: