Napetraka ao Antsiranana, omaly, ilay vata mpanova herinaratry ny orinasa Jirama hoentina hanoloana ilay milina an’ny ENELEC may afakomaly, tokony ho tamin’ny 8 ora alina.
Tonga ao Antsiranana omaly, ny delegasiona tarihin’ny minisitry ny Angovo sy ny akoran’afo, Andriamanampisoa Solo, taorian’ny fahamaizana milina mpihary herinaratry ny ENELEC afakomaly. Fantatra fa hasolo an’ilay milina may 4 MW ilay iray hafa an’ny orinasa jirama, manana tanjaka 600KW. Mbola an-dalam-panamboarana ity milina vaovao ity saingy inoana fa hampihena ny fahatapahan-jiro any an-toerana. Napetraka omaly, io vata mpanova herinaratra io ary niroso tamin’ny andrana ny teknisiana. Etsy ankilany, mbola ahiana ny mety hisian’ny fahatapahan-jiro mifandimby ao Antsiranana mandritra ny ny ora be mpampiasa herinaratra (heure de pointe). Antony mahatonga izany ny fahabangan’ny vokatra satria mamokatra 4 KW ilay milina may. Vinavinaina ho vita ao anatin’ny10 andro ny fanarenana rehetra atao, araka ny tatitry ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoran’afo.
Maizina
Nijoalajoala ny afo afakomaly tokony ho tamin’ny 8 ora alina, nandritra ny voina niseho tao Antanamitarana, PK7, Antsiranana II. Maizina tanteraka ny tanàna. Nifarimbonan’ny mpamonjy voina samihafa sy ireo mpiara-miasa ao amin’ny ENELEC ny famonoana ny afo. Taorian’izay, voafehy ny afo saingy tapaka ny famatsiana herinaratra tao andrenivohitry ny faritra Diana. Ankoatra izay, nararaotina tamin’ny fandalovan’ny minisitra sy ny tomponandraikitry ny jirama tao an-toerana ny fitadiavana vahaolana mahakasika ny fahatapahan-jiro ao Antsiranana, indrindra ny amin’ny andro atoandro. Betsaka tokoa manko ny fahasimbana ateraky ny fahatapahan’ny herinaratra. Hita taratra amin’ny fiharian’ny mponina izany.
Henintsoa Hani