Hifarana afaka fotoana fohy ny fandraisana ny antontan-taratasy amin’ny fifaninanana nasionaly eo anivon’ny Association sportive interministérielle pour l’entretien des Fonctionnaires (Asief), taona 2023. Mizotra tsara ny fanomanana, araka ny nambaran’ny filohan’ny Asief, Andrianarison Jean Aimé (Jhone Love). Nisy ny fidinana ifotony natao tany Toamasina, ny herinandro lasa teo, nijerena ireo fotodrafitrasa rehetra handraisana ny fifaninanana, nataon’ny biraon’ny Asief. Nitsidika ireo manampahefana tomponandraikitra tao an-toerana ihany koa izy ireo. “Vita ny iraka natao tany Toamasina, milamina ny fanomanana”, hoy ny filohan’ny Asief ity. Vonona hifanolo-tanana ihany koa ireo tomponandraikitra ambony sy andrimpanjakana maro. Anisan’izany ny Primatiora, ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena sy ireo minisitera isan-tsokajiny, ny governoran’i Toamasina, ny ben’ny Tanànan’i Toamasina ary ny Prefet. Tsiahivina, mpiasam-panjakana manodidina ny 20000 no andrasana amin’ity fifaninanana nasionaly hatao any Toamasina, ny 30 jolay hatramin’ny 12 aogositra, ity.
Mi.Raz