CUA-OIF : nosantarina ny fizarana kopia faobe

Nisitraka ny kopia nahaterahana voalohany, tamin’ny alalan’ny tetikasa kopia fao­be, ireo ankizy 20 teto Anta­nanarivo Renivohitra. Nano­lotra izany mivantana, omaly, ny ben’ny Tanànan’Antana­narivo Renivohitra, Andrian­tsi­tohaina Naina. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny CUA sy ny Organisation Internationale
de la Francophonie (OIF) no nahafahana nanatanteraka izany.
Miisa 4.207 ny kopia ho­zaraina amin’ity andiany voalohany ity ho an’ny eto Anta­nanarivo. Hahatratra 12.000 kosa ireo ankizy hisitraka izany mandrapahatapitry ny tetikasa. Efa nanomboka ta­min’ny volana desambra, 2022, ny fikarakarana ny kopia faobe ary hifarana ny faran’ny volana jona izao. Zaza iray volana hatramin’ny 17 taona no afaka mikarakara antontan-taratasy mba hisitraka ny kopia.
Hiditra amin’ny dingana faharoa ny hetsika aorian’izay. Manao fanentanana ny mponina sy mitety fokontany ny CUA amin’ny fampahafantarana ny mponina ity tetikasa ity. Ankoatra izay, misy ny fanentanana mandritra ny he­tsika fahasalamana manakaiky vahoaka ataon’ny CUA.

Tatiana A

Partager sur: