Depiote Ratafika Andriamalazamanga : “Miandrandra fifidianana ny rehetra”

“Samy miandrandra hizotra amin’ny fifidianana ny rehetra mba handeha amin’ny fomba demokratika ny fifandimbiasam-pahefana hiampitan’ny filohan’ny Repoblika manaraka eo amin’ny fe-potoam-piasana vaovao.” Io ny fanehoan-kevitry ny depiote voafidy tamin’ny anaran’ny IRD, Antananarivo I, Ratafika Andriamalazamanga Dimbindraibe, manoloana ny toe-draharaham-pirenena.
“Raha ny hitanay ny eo anivon’ny fahefana mpanatanteraka sy ny fitantanana ny fitondram-panjakana, mizotra mankany amin’izay fifidianana izay isika”, hoy izy. Rariny raha handeha ara-dalàna ny fifidianana amin’ity taona ity, araka ny fotoana napetraka. Ao anatin’ny fanajana tanteraka ireo fepetra rehetra momba ny fifidianana izay. Mba hizoran’ny Malagasy amin’ny lalana mitohy tsy misy firoaroan-tsaina ny fiatrehana azy.
Efa mazava ny tetibola fa tsy hoe tsy misy mangirana. Efa manana ny tetibola ha­nampiana ny Ceni ny fahefana mpanatanteraka. Vao haingana koa, maro ireo mpiara-miombon’antoka amin’i Ma­dagasikara efa nanome toky fa hifanome tanana amin’ny fikarakarana fifidianana, in­drindra ireo mpiara-miom­bon’antoka amin’ny vola sy teknika.
Tonga amin’ny famaranana ny fisoratana anarana amin’ny lisitry ny mpifidy izao. “Matetika, izahay mpanao politika rehefa misy kely tsy mifanaraka amin’ny fijerinay na misy tiana voizina fotsiny koa amina korontana na fivilian-dalana tsy hampisy fiainana milamina eto amin’ny firenena”, hoy ihany izy. Ao anatin’ny fotoana famaranana ny fisoratana anarana izao, inoana fa tsy tokony hisy olana izay.

R. Nd.

Partager sur: