DO B : ho solontenan’i Madagasikara

Mbola kely izy dia efa nisongadina tamin’ity talentany ity… Teny an-dalana teny no nanatsara sy nifehy ny “beatbox” i Do B. Nanom­boka nisongadina ary lasa nalaza indrindra tamin’izany Rasolo­foarison Do na i Do B taty aoriana. Tsy nijanona amin’izay lazany izay anefa, fa nikatsaka hatrany ny hiakatra ity mpanakanto ity. Fanta­tra izao fa handray anjara amin’ny “Beatbox battle worlt championship”, na ny fifaninanana iraisam-pirenena hoan’ny “beatbox” izy. Ao amin’ny sokajy “Vocal scratch” no nidirany, ka eo amin’ny 20 eo izy ireo no mifaninana. Mpa­nao “beatbox” avy amina firenena maro no hiaraka hiatrika ity fifaninana ity amin’i Do Be, any Berlin, Allemagne, ny 2 hatramin’ny 6 aogositra izao.
Tsiahivina fa ilay fanaovana feona mozika sy gadona amin’ny alalan’ny feo manokana ny “beatbox”. Tsy tena mahasolo ny zavamaneno, ka­nefa afaka miara-dalana izany ka mamoaka feo vaovao. Ma­rihina ihany koa fa efa mpandray anjara amina fifaninanana iraisam-pirenena amin’ny “beatbox” i Do B, ka andraindraina fa hitondra ny amboara mody.

Zo ny Aina

Partager sur: