Niakatra ny tahan’ireo olona tonga nizaha fahasalamana teny anivon’ny hopitaly HJRA Anosy, nandritra ny Alahady sy Alatsinain’ny Pantekoty lasa teo, raha ny tatitra voaray teo anivon’ny hopitaly omaly. “Manodidina ny 209 izy ireo ary 23 ny naiditra hopitaly nandritra izany”, hoy ny tomponandraikitry ny serasera eo anivon’ny hopitaly HJRA, Rafiliposon Nathalie. Manodidina ny 4 ireo namoy ny ainy ary 5 ireo saika hamono tena teo anivon’ny sampana vonjy aina sy vonjy taitra, raha ny fanazavana.
Mitsinjara toy izao ny antontanisa teo anivon’ny sampana vonjy taitra, raha ny fanazavana. Nahitana loza niseho iray avy teo anivon’ny fiarahamonina sy ny tokantrano. Telo, loza niseho teo anivon’ny fifamoivoizana. Nahitana loza iray avy kosa teo anivon’ny asa sy ny fanatanjahantena ary 15 ireo vokatry ny aretina hafa.
Mahatratra 16 ireo tonga nizaha fahasalamana teo anivon’ny sampana vonjy aina manokana, raha ny tatitra voaray hatrany. Enina tamin’ireo naiditra hopitaly raha nandalo ny sivy ambiny. Vokatry ny fisotroana zava-pisotro misy alikaola ny dimy tamin’izy ireo. Vokatry ny fihinanana sakafo tsy ara-pahasalamana kosa ny efatra hafa. Lehilahy iray sy vehivavy iray hafa tapaka lalandra. Mahatratra enina ireo naiditra hopitaly noho ny aretina hafa. Manodidina ny telo ireo razana (lehilahy, vehivavy ary ankizy) niditra teo anivon’ny hopitaly nandritra izany.
Mino (mpianatra asa)