Nankalazaina ny faran’ny herinandro lasa teo ny herinandron’ny mpanazava eto Madagasikara. Notanterahina teny Alarobia ny hetsika ho an’ny mpikambana teto Antananarivo. Tonga nanatrika izany ireo ankizy mpikambana rehetra avy eto Antananarivo Renivohitra. Mpanatalenta mizara ny fahazavana, ny lohahevitra nosafidian’izy ireo tamin’ity taona ity. Maro amin’ny ankizy no manana talenta ka manampy azy ireny hitrandraka sy hiaina izany amin’ny alalan’ny fanehoana amin’ny asa ataon’ izy ireo ny mpanazava, ka antony nisafidianana ny lohahevitra, raha ny fanazavana.
Fotoana nanaovan’izy ireo fiaraha-mientana sy fitadiavam-bola ary fampitomboana ny isan’ny mpikambana ny andro, raha ny fanazavana. Tanjona ny hanehoana ny fahaveloman’ny fikambanana sy firaisankinan’ny mpikambana rehetra (tranainy, am-perinasa ary ny vao hiditra).
Manampy mitaiza
Sarotra ny mitaiza ny ankizy manoloana ny zava-miseho, amin’izao fotoana izao, raha ny zava-misy. «Entanina ny ray aman-dreny mba hampiditra ny zanaka anaty fikambanana fa manampy amin’ny fitaizana ny ankizy ny fikambanana», hoy ny tomponandraikitry ny fanabeazana eo anivon’ny mpanazava eto Madagasikara, Rahanitrarivo Haingo. Nilaza izy fa sahy mandray andraikitra sy tsy very mandeha ary tompon’andriakitra ny ankizy eo anivon’ny fikambanana, raha oharina amin’ny ankizy tsotra.
Marihina fa nanao hetsika maro samihafa (lalao, ny fanatanjahantena…) izy ireo nanomboka ny 20 hatramin’ny 27 mey lasa teo. Ankoatra izay, nisy ny laobary an-dasy nokarakaraina nahafahana manatsara sy nahafantaran’ny fiarahamonina ny fikambanana.
Mino (mpianatra asa)