Imianta : hampiroboroboana ny fampandrosoana

Saika mpandraharaha ara-toekarena avokoa ny ankamaroan’ny terak’Imady, avy any amin’ny kaominina Ambositra II, distrika Ambositra, faritra Amoron’i Mania. Ho an’ireo monina eto Antananarivo, mi­vondrona ao anatin’ny fikambanana Terak’Imady eto Anta­nanarivo (Imianta), izy ireo. Nilaza ny filoha mpiara-mitantana ny fikambanana, Tahinja­nahary David, fa misehatra amin’ny fandraharahana avokoa ny ankamaroan’ireo mpikambana eto Antananarivo. Tena misongadina amin’izany ny lafiny varotra, ny fandraharahana amin’ny fampiantranoana, ny fisakafoana, izay tena antoky ny fampandrosoana amin’ny toekarena. Nana­mafy koa ny filoha mpiara-mintantana iray, Razafimanan­tsoa Nandrianina, fa tanjona, ny fampandrosoana hoan’ny toekarena any ifotony, miainga any Ambositra, ary hoentina aty Antananarivo.
Hanamafisana ireo, namory ny terak’Imady ny Imianta, ny alatsinain’ny Pantekosta, 29 mey teo, teny Ambohimalaza. Maherin’ny 6.000 ny nanatrika ny fotoana. Omby enina no novonoina, nanamarihana izany.

Njaka A.

Partager sur: