Notanterahina, omaly talata, tany Frantsa, ny fisafidianana izay mpilalao baolina kitra afrikanina mendrika, mifaninana amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Frantsa «Ligue 1», na ny «Prix Marc Vivien Foé». Norombahan’ilay Kongoley, i Mbemba Chancel, milalao ao amin’ny Olympique de Marseille, izany. Nahazo isa 207 avy amin’ireo mpanao gazetin’ny France 24 sy ny RFI mikarakara ny fifaninanana izy.
Sambany ary voalohany no hany nisy vodilaharana nandrombaka ity amboara ity. Mpilalaon’ny Marseille faharoa, nahazo ity loka ity izy, taorian’ilay Ganeanina, i André Ayew, ny taona 2015. Faharoa, ilay Ivoarianina, i Seko Fofana, mpilalaon’ny RC Lens. Isa 11 no hany nanasaraka azy mirahalahy. Namarana ny lampihazo, i Terem Moffi, teratany Nizerianina, nanana isa 125.
Kongole, faharoa nahazo ny “Prix Marc Vivien Foé” i Chancel Mbemba, taorian’i Gael Kakuta, ny taona 2021. Tamin’ny 15 jolay 2022 izy no tonga tao amin’ny Olympique de Marseille. Izy izany no nandimby an’ilay Ivoarianina, i Seko Fofana (RC Lens), nahazo izany tamin’ny 2022.
Tompondaka