Loka « Minisitry ny Toekarena » : azon-dRtoa Rabarinirinarison R.H ny ABLA 2023

Norombahin-dRamatoa Rabarinirinarison Rindra Ha­simbelo, minisitry ny Toeka­rena sy ny Fitantanambola ny amboaran’ny « Minisitry ny Toekarena », nokarakarain’ny African Business Leadership Awards 2023. Miisa efatra ny firenena Afrikanina voasivana nanana solontena tamin’ity fifaninanana ity, ary ny teo anivon’ny kaontinanta Afri­kanina manontolo no namaritra sy nifidy izay ho mpandresy. Anisan’izany ny minisitry ny Fitantanambola any Egyp­ta, Mohamed Maait, ny minisitry ny Fitantanambola sy ny fampandrosoana ny toekarena any Zimbabwe, Mthuli Ncu­be, ny minisitry ny Fi­tanta­nambola sy ny drafitra fampandrosoana ny toekarena any Maorisy ary ny minisitra malagasy Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo.
Mitondra avo ny fahaiza-mitantana eto amintsika eo imason’i Afrika sy maneran-tany, ny fahazoana amboara sy ny fankasitrahana toy izao.

Nitatitra ny zava-bita

Ankoatra izany, nihaona tamin’ny solombavambahoaka ny minisitra Rabarinirina­rison Rindra, omaly. Nota­teriny ny zava-bitan’ny minisitera nandritra ny taona 2022 sy ny drafitrasa ho an’ny dimy volana voalohany ho an’ny taona 2023. Lohahevitra efatra no niankinan’ny tatitra nataony. Voalohany, ny fitantanambolam-panjakana amin’ny ankapobeny. Faharoa, ny tamberin’andraikitra. Fahate­lo, ny fampivoarana ara-toekarena sy sosialy. Fahefatra, ny fanavaozana ny lalàna sy ny didim-panjakana mikasika ny fitantanambolam-panjakana.

Njaka A.

Partager sur: