Mifanahim-bibidia !

Na biby aza angamba tsy manao fomba fisainana tahaka ny ataon’ny olona sasany eto Madagasikara, ankehitriny. Zary tsy misy hasiny sy tsy misy vidiny intsony ny aina maha olombelona. Toa very fanahy ny ankamaroan’ny olona. Mampatahotra ny mandeha eny an-dalambe rehetra eny. Olona toa lasalasam-borona sy mijonjorombona tsy mahita na mahare ny eo akaikiny akory no mifanena. Zava-doza, tsy tohinina fa mivandravandra sy mibetroka raha mba voadona kely.
Mampihoron-koditra ny zava-misy sy ireo trangam-piarahamonina isan-karazany miseho. Taiza teto Madagasikara no misy izany zaza 12 taona mitondra vohoka noho ny fanolanana natao azy. Marina misy ny faritra mampanambady ny zanany vavy aloha loatra, izay efa ilàna fiheverana sy fandraisana fanapahan-kevitra goavana. Ity kosa efa sangy mihoatra ny loha, hoy ny fitenin-dRamalagasy mahazatra. Vono olona mivantana in-telo miantoana. Tsy vitan’ny novetavetaina fa nampitondraina kitra mandrapahafatiny ilay zazavavikely. Manginy fotsiny avy eo ny tsindry sy latsa, ary indrindra ny fahoriana ataon’ny mpanenji-dresy, izay talentan’ny Malagasy maro amin’izao fotoana izao
Manoloana ity trangam-pirahamonina iray ity, miampy ireo endri-kerisetra ara-nofo amin’ny zaza madinika, dia tsy hay ny hangiana. Zava-dehibe ka ilana ady sisika misimisy kokoa ny fampiharana ny lalàna. Ity farany izay azo lazaina fa efa nilaozan’ny toetrandro sy tsy mifanaraka intsony amin’ny hodidina. Hanaovana antso avo amin’ny hery velona rehetra afaka manao tolo-dalàna sy manampahefana hanolotra izany eny amin’ny parlemanta. Maivana be ny lalàna manenjika ireo mpanolana, hany ka manao tsidi-pahitra fonja izy ireny, na tsy voaheloka mihitsy.
Maro ny zava-mitranga izay mifaningotra eny anivon’ny fiarahamonina. Tsy azo tsinontsinoavina ny fifampian­kinan’ireny ka mahatonga an-dRamalagasy, mivadika ati-doha tahaka izao. Mampiteny irery ny adim-piainana sy ny tsy fisian’asa. Mahalasa adala ny firongatry ny tsy fandriampahalemana sy ny fandrobana ka mahafongana ny eo am-pelatanana anatin’ny indray mipy maso. Tsy hita ny voambolana ilazana ny fanambaniana sy « fanandevozana » ny vahoaka manoloana ny kilalao politika masiso. Santionany ihany ireo, fa henjana ny manjo ny sarabambem-bahoaka. Mila fandraisana andraikitry ny tsirairay sy ny daholobe miray hina mba hamerana ny firongatry ny olona mifanahim-bibidia, tsy misy fanahy !

r.r

Partager sur: