Mpampianatra, ray aman-dreny, raiamandreny mpitarika, mpitondra… Mpitaiza sy mpanabe avokoa ! Izy ireo no loharano hanovozana ny fahalalana, fahendrena, soatoavina, fomba amam-panao, sns. Ireo rehetra ireo anefa no tsy ampy eo amin’ny zaza malagasy ka ilazana azy ireny ho ratsy taiza. Mila ovaina ifotony ny fanabeazana sy fitaizana misy amin’izao vanim-potoana izao, satria sady tsy ahafahana maneho ny maha izy ny tena, no mitazona sy mangeja tsy hahazoana mivelatra amin’ny an’ny hafa.
Mitaky ezaka lehibe ho an’ireo lazaina ho mpanabe anefa ny fanatanterahana izany satria raha olona tsy ampy fahalalana, tsy ho afaka hizara. Raha mpanabe tsy afa-miresaka na mifanakalo hevitra amin’ny beazina, tsy hahatafita ventin-kevitra velively. Mila mianatra, mandalina, mikaroka ny mpanabe. Fomba fanaon’ireo ray aman-dreny sy zokiolona fahiny io fa tsy zava-baovao. Izay no nahatonga azy ireny nitoeran’ny fahendrena sy ny fahalalana. Toetra nitarika hatrany amin’ny fanajan’ny fiarahamonina ny zoky raiamandreny.
… Ny ankehitriny, tsy manana ireo toetra ireo, angamba, ny ray aman-dreny ka tsy sarotra amin’ny zanaka sy ny taranaka ny mamingavinga azy ireny !
HaRy Razafindrakoto