Feno zato taona amin’ity ny nahaterahan’Andriamantena Georges na i Rado… Tsy avelan’ny fianakaviany akaiky sy ny fianakaviamben’ny zava-kanto amin’ny ankapobeny handalo fotsiny izany, fa homarihina ho fanomezam-boninahitra ity andrarezin’ny literationa, nanamarika vanim-potoana maharitra ity.
Nosokafana omaly, ny fankalazana, tao amin’ny efitrano Rado ao amin’ny Tranombokim-pirenena, Anosy. Rariny loatra satria toerana mitondra ny anarany, ka natao hanomezam-boninahitra azy izany. Nisy ny fijoroana vavolombelona nataon’ireo mpanakanto izay nifanerasera tamin’i Rado, toa an’i Henry Ratsimbazafy sy i Fafah Andriamanjato, izay namerina ireo hira noforonin’ity andrarezina ity.
“Hatao tsangambaton’ny fankalazana ny fivoahan’ny boky “Hiram-bavaka”, izay mirakitra ireo tononkalo tonga hira, izay noforonin’i Rado manontolo”, hoy ny minisitry ny Serasera, Rakotondrazafy Lalatiana. “Efa telopolo taona no nanomanana izao, satria tamin’ny taona 1993 i Rado no naniry hamoaka ny boky”, hoy kosa i Andry Andriamanantena, zanak’i Rado.
Fampirantiana ao amin’ny “Trano Sary”
Fanokafana ihany ny lanonana tao amin’ny Efitrano Rado. Misy ihany koa ny fampirantiana manokana momba ity mpanoratra malagasy malaza indrindra ity, ao amin’ny “Trano Sary” Ambohidahy. Ho hita ao ankoatra ny sary pika sy ny asa sorany, ireo horonan-tsary maro misy an’i Rado fony fahavelony. Eo koa ireo talenta maro hafa nananan’ity poeta ity tahaka ireo sary hosodoko, sary paikafo, taovy, sns, ankoatra ny maha mpanao gazety, mpikabary ary mpandaha-teny azy.
Zo ny Aina