Nitsoaka polisy: nivadibadika ny fiara nentina mpamily mamo tetsy Tsarasaotra

Nanao loza intelo nisesy, nandositra polisy ka nifatratra tamina fiara tsy mataho-dalana ny fiara iray nentina mpamily mamo, tetsy amin’ny Rocade Tsarasaotra, omaly tamin’ny 12 ora sy sasany.

Avy nifaoka fiara Golf tetsy Anosivavaka, na­n­dositra ny polisy na­nao ny constat  niaraka tamin’ny fiara nentiny marika Duster ny mpamily. Efa mamon’ny alikaola, nirifatra tamin’io fiara io izy ary namonjy ny lalan’i Tsara­saotra mihazo an’ Ivato. Teny an-dalana, nandona mpitondra moto iray indray io fiara nentiny io. Tsy nijanona hatrany ilay mpamily fa mbola nanohy ny lalany ihany. Tsy noraharahiny ilay mpamily moto voadona. Naratra anefa ny mpitondra ity farany. Nanam­patra ny hafainganam-pandehany teo amin’ny lalan’ny Rocade Tsarasaotra, nifatratra tamina fiara tsy mataho-dalana iray avy any Ivato nikasa hihazo an’i Tsarasaotra ilay fiara Duster. Nivadibadika tan­teraka teo afovoan’ny arabe ity farany. Ankilany, po­tika ny lohan’ilay 4×4 nifandona taminy. Olona telo, arak’izany, no naratra mafy vo­katry ny tsy fanajana ny lalàn’ny fifamoivoizana nataon’io mpamily fiara Duster io.

Misokatra ny fanadihadiana
Manoloana io loza nateraky ny hamamoan’ny mpamily ilay fiara nahavanon-doza io, misokatra ny fanadihadiana ataon’ny eo anivon’ny polisy. Anisan’ny hiampangana azy, ny fandosirany ny mpitandro filaminana nanao ny asany nandritra ny fahavoazan’ilay fiara Golf teo Anosivavaka, faharatran’ilay mpitondra moto ary ilay fahapotehan’ny fiara tsy mataho-dalana. “Mamo sady naratra, mbola tsy afa-niroso avy hatrany tamin’ny fanadihadiana io mpamily io ny tomponandraikitra”, hoy ny fanazavan’ny polisy.

Tsiferana R.

Partager sur: