Nihaona tamin’ny filohan’ ny Repoblika, Rajoelina Andry, ny ekipan’ny tetikasa Jeunesse malagasy compétente au travail (JMCT), nahitana ny talen’ny tetikasa any Kanada, Sylvain Benoît, ny talen’ny tetikasa eto Madagasikara Rakotondrajaona Luc. Nampahafantatra ny votoatin’ny tetikasa JMCT izay manatsara (manomana mialoha) ny fidiran’ny mpianatra anatin’ny sehatry ny asa, 18 ka hatramin’ny 30 taona, anatin’ny lalam-piofanana taotrano sy asa vaventy, fizahantany sy fandraisam-bahiny ary ny fandraharahana izy ireo. Hifarana amin’ny taona 2024 ny tetikasa ary hiditra amin’ny dingana faharoa. Tanjona ny hampiditra tanora 2 500 amin’ ny sehatry ny asa aorian’ny fiofanana satria ampiarahana ny fiofanana sy ny asa ka vonona avy hatrany.
Nanamafy ny filoha fa laharam-pahamehana ny fiofanana momba ny asa ary hiroso amin’ny fiaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy fanofanana arak’asa ny fanjakana. Hanome fitaovana ho an’ny tanora 1 tapitrisa ny fitondrana hoentina manomboka ny fiofanana, araka ny nambarany.
Vonjy