Voaroba ny vola sy ny Moto: raim-pianakaviana maty voatifitry ny jiolahy

Narahina moto roa nentina jiolahy, maty voatifitra ny raim-pianakaviana iray omaly maraina tamin’ny 9 ora sy sasany. “Mpiasa amina orinasa io lehilahy io ary nitondra moto”, hoy ny fanazavan’ny polisy. Tsy nampoiziny anefa narahina jiolahy mitam-piadiana izy. Moto roa ireo nanaraka azy. Nasain’ireo olon-dratsy nidina ny moto io lehilahy io. Notifirin’ireo olon-dratsy avy hatrany izy ka naratra mafy. Poa toy izay, nirifatra nandositra niaraka tamin’ny moto nangalariny ireo jiolahy. Naka zavatra tao anatin’io moto io ireo olon-dratsy. “Vola io nalain’izy ireo io saingy tsy fantatra mazava ny isany”, araka ny fanamafisan’ny polisy. Nentina navotana teny anivon’ny CSBII Tanjombato ilay lasibatra saingy tsy tana intsony ny ainy. Niroso tamin’ny fanadihadiana avy hatrany ny mpitandro filaminana. Efa hitan’ny polisy, rehefa narian’ireo olon-dratsy teny an-dalana, ilay moto nangalarina.

Tsiferana R.

Partager sur: