Efa mahazatra! Tao anatin’ny ora-mikija tanteraka, niantomboka ny alin’ny zoma ka tsy nifarana raha tsy ny alarobia maraina teo, ny fankalazana ny fetin’ny Pantekoty tao Toamasina. Teo ihany koa ny fahatapahan-jiro lavareny efa mahazatra ny mponina ao an-toerana. Vokany, dibo-drano tanteraka ny lalana rehetra tao an-drenivohitry ny faritra Atsinanana sy ireo toeram-pitsangantsanganana mahazatra ny vahoaka toy ny ao Ampanalana sy Analamboanio. Fa ankilazan’ izany, araka ny tatitra voaray teo anivon’ny sampandraharaha misahana ny vonjy taitran’ny Hopitalibe Analankinina, niakatra raha oharina tamin’ny fetin’ny Paka ny olona tsy maintsy nandalo fizaham-pahasalamana nandritra ny 26 ka hatramin’ny 29 mey satria nahatratra 150 raha 139 izany ny fetin’ny Paka. Tsy maintsy naiditra hopitaly ny 95 tamin’ireo raha 73 tamin’ny Paka. Efatra kosa ireo olona namoy ny ainy ka ny iray maty an-drano raha maty vokatry ny hamamoana tafahoatra ny faharoa, ny fahafatesana roa hafa kosa vokatry ny aretina efa nitaiza azy ka tsy avotra intsony.
Nohamafisin’ny mpitsabo ao amin’ny sampana vonjy taitra fa azo lazaina ho nihena ny lozam-pifamoivoizana satria tsy nisy afa-tsy telo monja izany raha niakatra kosa ny ratra vokatry ny tsatok’antsy satria nahitana tranga 14. Teo koa ny ratra vokatry ny kapoka tavoahangy teo amin’ny loha. Tsy nisy afa-tsy telo koa ny fianjerana teny an-dalana raha dimy ny loza nateraky ny asa.
Sajo/Jean Claude