Mamorona taratasy hosoka, olona miisa dimy misoloky tanin’olona voasambotra teny amin’ny kaominina Ambohimangakely, ny talata 30 mey teo.
Tany lehibe mirefy 2,5 ha, nokasain’ireto dimy mianadahy ireto hamidy tamin’ny alalan’ny taratasy hosoka. “Manana tompony saingy efa maty ary misy mpandova io tany io”, araka ny nambaran’ny zandary. Renim-pianakaviana efa mananika ny faha-67 taonany no natao ho mpandova sandoka. Namoronan’ny lehiben’ity tambajotra ity karapanondro hosoka izy. Nanamboaran’izy ireo kopia fahafatesana hosoka koa izy. Nihevitra hanambaka ny tomponandraikitra, mbola nahavita namorona fanamarinana maha-mpandova hosoka manambara fa io ramatoa lehibe io irery no hany mpandova ilay tany koa ireto tambajotra mpangala-tany ireto. Talanjona noho ny fisian’io ramatoa io, arak’izany, ireo taranak’ilay tena tompon-tany. Niroso tamin’ny fanadihadiana lalina ny mpitandro filaminana.
Efa nokarohina…
Vehivavy iray efa nokarohin’ny zandary noho ny fisolokiana no tomponantoka. “Efa manana ekipa maromaro miara-miasa any anaty sampan-draharaha any”, hoy ny zandary. Mahakasika ilay tany nokasaina hamidy tamin’ny alalan’ny fisandohana, efa nahazoan’ireto mpiray tambajotra ireto vola mitetina 1 tapitrisa Ar niampy vary 80 kg ho vodiondrim-barotra. Nihemotra tampoka anefa ny mpividy noho ny olana. Nentina natao famotorana izy ireo. Taorian’ny fampanoavana, nidoboka am-ponja vonjimaika ilay ramatoa atidoha. Nigadra miaraka aminy koa ireo namany telo hafa raha toa ka nahazo fahafahana ny iray izay natao fanadihadiana. Ireo farany izay mpanao hosoka sy ny mpanera tany ary ilay mpisera any anaty birao.
Tsiferana R.