Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny PPA Ampefiloha teny Andranomanalina, omaly, ny jiolahy raindahiny amin’ny fanendahana. Hita teny aminy koa ny sabatra lavalela iray fampiasany rehefa manao ny asa ratsiny. Nisy ny fitarainana voarain’ny polisy momba ny fanendahana miseholany amin’iny faritr’Isotry sy Ampefiloha iny. Manoloana izany, nanamafy ny fisafoana fanaony hatrany anaty tanàna ny polisy manao fanamiana sivily. Nahitam-bokany izany satria tratra niaraka tamin’ny sabatra lavalela teny Andranomanalina ity jiolahy ity. Teo am-piandrasana izay olona hoendahiny izy no nifanehatra tamin’ny polisy. Nandritra ny fanadihadiana savaranonando azy no nahafantarana fa efa mpanao asa fanendahana amin’iny faritra iny miaraka amin’ireo jiolahy namany, saingy izy aloha no tratran’ny polisy. Nosamborina ka mitohy ny fanadihadiana azy eny amin’ny biraon’ny polisy.
Jean Claude