Ankazobe : mpangalatra moto efatra voasambotra

Noraisim-potsiny tamin’ny alalan’ny tagnamaron’ny fandriam-pahalemana ny mpangalatra moto efa-dahy tao Ankazobe, afakomaly. Nifampitadiavan’ny tompony ny moto roa lehibe izay nalain’ny jiolahy. Nanao ny fikarohana taorian’ny fitarainan’ny tompony avy hatrany ireo mpitandro filaminana. Tamin’ny alalan’ny tsara sitrapo, fantatra fa ao amin’ny kaominina ambanivohitra Marondry no nahitana ilay moto iray. Nidina nijery ifotony ny zandary. Sarona tamin’izany ny moto lehibe marika Lifan. Olona roa tompon’antoka tamin’ny fahaverezana sy fihazonana io moto io. Tetsy ankilany, tafaverina amin’ny tompony koa ilay moto iray hafa nokarohina. Nasitrik’ireo mpangalatra tao anaty kirihitra io moto io. Nentina hatao famotorana koa ny olona roa hafa. Vokany, olona efatra voasambotra momba ireto moto halatra ireto. Atolotra ny fampanoavana izy ireo, aorian’ny famotorana azy.

Tsiferana R.

Partager sur: