Ankizy maditra ao Toamasina…: roa lahy voaheloka higadra telo volana ao Ambalatavoahangy

Niakatra fitsarana ambaratonga voalohany ao Toamasina, ny 16 mey 2023 lasa teo,
ny raharaha anenjehana ireo zaza maditra 20 mianadahy nanao herisetra sy hetraketraka ao an-drenivohitry ny faritra Atsinanana. Voaheloka an-tranomaizina telo volana ny roa…

Nivoaka ny didim-pitsarana ny 22 mey teo ka afaka noho ny fisalasalana ny 18 mianadahy izay nambaran’ny mpitsara mpamoaka didy fa sazy fananarana, izay mpianatra avokoa ny ankamaroan’izy ireo. Voaheloka an-tranomaizina hamita sazy telo volana sazy mihatra kosa ny roa hafa izay nohamafisin’ ny mpitsara fa sazy fananarana satria roa vola sisa hijanonan’izy ireo ao am-ponja. Raha hiverenana ity raharaha ity, nahavita herisetra tao Toamasina ireto ankizy mpi­anatra ireto, mitovy amin’ny “foroche” tany Antsiranana. Maro ireo olona naratra sy nitondra faisana tamin’izy ireo ka nahatonga ny tomponandraikitra nandray fepetra haingana. Nilaza rahateo ny fitsarana fa tsy handefitra amina raharaha toy izao. Naiditra am-ponja vonjimaika ireto ankizy voarohirohy ireto, izay tsy voafehin’ny ray aman-drenin’izy ireo, araka ny nambaran’ny toni­an’ny fampanoavana eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany, Vahiny Yvi Sandro, nandritra ny fisamborana azy ireo.

Roa lahy nandositra ny fonja…
Tovolahy roa koa nanararaotra nitsoaka ny fonjan’ Ambalatavoahangy ny sa­botsy tolakandro teo. Nia­ni­ka tamboho nandritra ny fampilalaovana baolina azy ireo ry zalahy, tamin’io fo­toana io. Avy any andrefan’ ny fonja izy ireo no nitsambikina teny ivelan’ny tokontanin’ny gara. Noho ny hakingan’ny mpiandry fonja sy ny mpitandro filaminana anefa dia voasambotra izy roa lahy. Nambaran’ny tomponandraikitry ny fonja fa efa fanao ny mampilalao baolina sy mampanao fanatanjahantena ireo voafonja. Anisan’izany ny ao amin’ny kartien’ny ankizy tsy ampy taona. Mbola nanao mpiandry toerana izy roa lahy tamin’io fotoana io, raha ni­tsara ny lalao kosa ny mpandraharahan’ny fonja. No­he­verin’izy ireo fa variana teny ambony kianja ireo mpiandry fonja ka nanararaotra izany zalahy. Hitombo in­dray, araka izany, ny sazin’ izy roa lahy ireto.

Sajo/Jean Claude

Partager sur: