Tsanta, Ranto ary Titan no mandrafitra ny Ralah’Trio. Tanora mpanakanto mampiaiky an’i Erick Manana ny talentany, ka nahateraka ny tetikasa. Tsy ho ela ny rakikira, ny seho aloha efa raikitra!
Maro ny tarika sy ny karazana fiarahana natsangan’i Erick Manana izay. Somary niavaka kokoa tamin’ireo efa nisy kosa ity fiarahany amin-dry Ralah Trio ity. Mpanakanto mbola tanora kanefa tena manan-talenta ry zalahy, ahitana an’i Tsanta Randriamihajasoa. Izy ilay “tsy misy tsy hainy”, raha mbola zavamaneno. Ny vata maroafitsoka, ny marovany ary ny trompette kosa anefa no entin’i Tsanta anatin’ity fiarahana ity. Manampy azy eo amin’ny gitara beso i Ranto An’i Avo Rakotomalala. I Titan Randriamasindrazana kosa no eo amin’ ny amponga maroanaka.
Na ireo hira efa fanta-daza aza, niova ho hafakely kokoa ny rindra niaraka tamin-dry zalahy ireto. Anisan’ireo be mpankafy ny nanavaon’izy ireo ny “Ento aho”. Tsapan’ ireo efa tsara vintana ka nahita ny seho tany ivelany tany fa nahazo aina vao ireo hiran’i Erick Manana, ary na izy aza dia tafiditra anatin’ny aingam-panahin’ireto tanora mpanakanto ireto.
Telo volana no nitety an’i Eoropa i Erick Manana sy ry Ralah Trio. Hofaranana eto Madagasikara izany, amin’ny alalan’ny seho tokana izay hotontosaina etsy amin’ny CCEsca Antanimena, ny sabotsy 10 jona izao, manomboka amin’ny 3 ora.
Zo ny Aina