Basikety-“World Cup 3×3” : mila mandresy ny Ankoay anio

Hiatrika ny andro faharoa amin’ny fiadiana ny amboara eran-tany, taranja basikety 3×3, any Vienne, Autriche, ny Ankoay, anio. Ny ekipan’i Brésil sy Frantsa no miandry azy ireo ary mila mandresy amin’ireo lalao roa hatrehany ireo ny Ankoay, raha te hanohy ny fifaninanana. Tsiahi­vina, niatrika ny lalao voalohany nanoloana ny ekipan’i Serbie ny ekipa malagasy, ny talata lasa teo ary niondrika tamin’ny isa 9 no ho 21. Mbola tsy afa-bela ihany koa tamin’ny lalao faharoa nanoloana an’i Allemagne, resy tamin’ny isa 16 no ho 20. Tsy kivy anefa ireto solontena malagasy ireto fa vonona ny hiady hatramin’ny farany. Efa nisy fivoarana rahateo ny lalao nihaonan’izy ireo tamin’ i Allemagne raha oharina ny tamin’i Serbie.

Araka ny fanazavan’ny mpanazatra, Randrianarivelo Jean de Dieu na i Deda, hifantoka tanteraka ny Ankoay amin’ireto lalao roa anio ireto. Tsy maintsy tafiditra anatin’ ny 3 voalohany mantsy raha te hiatrika ny lalao ampahefa-dalana, ka lalana hahatongavana amin’izany, ny fandresena amin’ireto lalao roa ireto.

Mi.Raz

Partager sur: