Fampirantiana saripika: “Fady kambana”, tetikasan’i Christian Sana

Teratany italianina mpaka sary, saingy latsa-pitia hatramin’ny fahakely an’i Mada­gasikara i Christian Sanna. Anisan’ny nanitikitika azy ny mikasika ny “fady kambana”, any amin’ny faritra iray eto Madagasikara. Tetikasa efa tamin’ny 2013 ny ity teraka ity, satria niezaka nanangona ny sarin’ireo kambana i Christian Sanna, nampian’ny fikambanana Tsy manary zaza ary notohan’ny Pnud.
Fantatra fa hampiranty ireo saripika nangoniny izy, ny talata 6 hatramin’ny zoma 30 jona izao, etsy amin’ny IFM Analakely. Tanjona amin’ny hetsika ny hiarovana ny zon’ny ankizy kambana, ka hanampiana ireo ray aman-dreny amin’ny tokony hataony miatrika izany.
Mety mbola ho lavitra ezaka noho ny kolontsaina efa nitoetra an-taonany maro, kanefa efa maro ihany ireo kambana afaka tamin’ity fomba ity.

Zo ny Aina

Partager sur: