Mbola mitohy ny hetsika fizarana karatany ataon’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny fananantany. Omaly, nizara karatany tao amin’ny kaominina Antanetibe Mahazaza, distrikan’Ambohidratrimo, ny minisitera niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka Casef. Tanjona ny hizarana karatany 4.100 ho an’ireo tantsaha any an-toerana. “800.000 ny karatany voazara amin’izao izay niarahana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka samihafa. 80% ny tany eto Madagasikara ihany koa no mbola tsy misoratra amin’ny Malagasy”, hoy ny fanazavan’ny minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny fananantany, Pierre Houlder Ramaholimasy. Notohizany fa zava-dehibe ny fizarana ny karatany hatramin’ny 2 tapitrisa, hatramin’ny faran’ny taona. Manerana ny Nosy ihany koa ny hanaovana ny hetsika mba hisitrahan’ny tsirairay izany aorian’ny dingana rehetra ataony.
Vaindohan-draharaha
Anisan’ny tanjona napetraky ny fanjakana malagasy ny hisitrahan’ny Malagasy rehetra ny tany nohajariany. Antony nahatonga ny “Herinandron’ny karatany” any amin’ny faritra manerana ny Nosy. “Mbola betsaka ny tantsaha matahotra birao, mety misy koa mampitahotra azy ireo, antony hitaomana ny vahoaka hanao fangatahana karatany”, hoy hatrany ny fanazavan’ny minisitra. Notohizany fa maro ireo olona namonjy ny kaominina tany amin’ireo faritra sy distrika nanao ny fangatahana hatramin’ny niandohan’ny hetsika.
Tonga eto Madagasikara ihany koa ny delegasiona Burundi, haka traikefa amin’ny fizarana karatany. Nametraka tanjona amin’ny fizarana izany any amin’ny fireneny ihany koa ireto farany.
Henintsoa Hani