Fanentanana fanjarian-tsakafo : nifaninana ny samy mpianatra

Nikarakara fifaninanana fanentanana hafatra iadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ho an’ny sekoly tao anatin’ny faritra Analamanga ary anisany ny kaominina Fenoarivo ny Foibem-pirenena momba ny fanjarian-tsakafo (ONN) sy ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny sehatra tsy miankina ary ny fikambanana samihafa. “Fampitan-kafatra faobe ho an’ny fanjarian-tsakafo no tanjona ary natao amin’ny fifaninanana kabary, tsianjery, fampisehoana na­han­dro (tsikonina) teny an­ivon’ny sekoly valo”, hoy ny tomponandraikitra ao amin’ny ONN, Andrianjakanirina Henintsoa. Ekipa 32 no nandray anjara ary valo niatrika ny famaranana, omaly, teny Fenoarivo. Nomena fiofanana ny mpanabe sy ny mpianatra mialoha ny hetsika. Ny volana janoary no nanomboka ny fanentanana sy ny fifaninanana isan-tsokajiny.
Nanohana ny tetikasa fizarana hafatra ny orinasa tsy miankina Somadis, mampiroborobo ny sakafo maroloko, ny fihetsika tokony hatao ara-tsakafo.

Mahomby kokoa ny hafatra rehefa ny ankizy no mampita azy amin’ny mpianatra namany sy ny ray aman-dreny any an-tokantrano. Ho an’ny tsianjery, lasan’ny Collège La Margeurite ny loka, ny EPP Firavahana ho an’ny vakodrazana, sekoly Miarintsoa ho an’ny kabary sy ny nahandro.

Vonjy

Partager sur: