Tsy mety fay mihitsy! Tratran’ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria boriborintany fahefatra (CSP4), teny Anatihazo Isotry, omaly, ny ny jiolahy iray malaza ratsy amin’ny sinto-mahery. Maro ny fitarainana voarain’ny polisy amin’ny hafitsok’ireo jiolahy amin’iny faritr’Isotry iny. Nametraka paikady ny polisy, amin’ny alalan’ny fanaraha-maso teny amin’ny manodidina an’Anatihazo Isotry. Teo no nahatrarana ireo jiolahy mbola nikasa hanohy ny asa ratsiny. Niroso tamin’ny fisamborana ny polisy. Voalazan’ny polisy fa telo lahy izy ireo no niaraka saingy nandositra ny roa lahy raha vao nahatazana ireo mpitandro filaminana. Noraisim-potsiny ny iray taorian’ny fifanenjehana. Ny famotorana azy no nahafantarana fa mpamerin-keloka amin’ny asa ratsy toy izao izy.
Tsikaritra teny aminy nandritra ny fisavana azy fa feno dian-tsindrona zava-mahadomelina mahery vaika ny tanany. Niaiky ny heloka vitany izy nandritra ny famotorana azy.
J.C