Niditra antsokosoko tao an-tranon’olona, tao amin’ ny fokontany Ampitatsimo, kaominina Mandritsara, ny lehilahy iray, omaly tamin’ ny 10 ora maraina. Tratra teo am-pangalarana anefa izy. Nokasainy hamidy ny ordinatera sy ny vatoaratra tao anatin’io trano nidirana mangingina io. Taitra tampoka anefa ny ramatoa iray tompon-trano izay avy niantsena raha nahita ny varavarankelin’izy ireo nisokatra. Nahare ny olona nihaodihaody tao ivelan’ny trano, nikasa handositra hivoaka io mpangalatra io. Tra-tehaka tsy lavitra teo izy. “Noana ary tsy mahita hividianana sakafo aho”, hoy ity lehilahy ity tamin’ny fokonolona nahasambotra azy.
Nandray an-tanana ny raharaha ny mpitandro filaminana ka tsy nisy ny fitsaram-bahoaka.
Tsiferana R.