Nanao atrikasa tetsy Ambatonakanga, ny Malagasy Association for evaluation (Masse) sy ny Rohy, omaly. Nanatrika izany ireo firaisamonim-pirenena ary ireo mpisehatra hafa. Tanjona ny hanamafisana ny votoatim-politikam-pirenena momba ny tomban’ezaka. Amin’ny alalan’ny fampidirana ny fomba fijery sy fandraisan’andraikitry ny fiarahamonim-pirenena rehetra hampandrosoana ny firenena.
«Hanatsarana ny fomba fitantanan’ny mpitondra ny firenena amin’ny fotoam-pitondrana manaraka ny tomban’ezaka», hoy ny eo anivon’ny Rohy, Randriamisata Patrick. Nilaza izy fa ilaina izany ahafahana mametraka vina sy tetikasa mahasoa ny vahoaka. Mitaky andraikitra eo amin’ny mpitondra ny fanatsarana ny fomba fitantanana mba ho tombontsoan’ny vahoaka.
Efa niato fotoana ela ny atrikasa noho ny Covid-19. Novelomina indray izany. «Hakana ny hevitry ny mpikambana sy ny mpisehatra eo amin’ny fampianarana, harena ankibon’ny tany, fahasalamana, fitantana ny firenena izany hampandraisana andraikitra azy ireo amin’ny tombazan’ezaka atao», hoy ny filohan’ny Masse, Rakotoarisoa Ony.
Mino (mpianatra asa)