Politika sy tsimatimanota

Sadaikatra ihany ny hiresaka an’ireto manam-pahefana eto amin’ny tany sy ny fanjakana ireto. Maro amin’izy ireny no mihevi-tena ho ambonin’ny lalàna sy efa zanaharikely latsaka fahefany, hoy ny fiteny mahazatra, eny an-tsisin-dalana. Misy mihitsy no mahavita mamorona lalàna araka izay maha meti­mety azy. Tsy lazaina intsony ny manao izay danin’ny kibony. Tsy vitan’ny manao tsinontsinona ny lalàna manan-kery fa mamono ny etika maha olona azy no manosihosy ny hasina izay lanja moralin’ny adidy iantsorohany.
Jereo fotsiny ireto solombavambahoaka ! Tena manao tsinontsinona ny vahoaka nifidy azy. Zara fa azo isaina amin’ny rantsan-tanana no mamonjy fivoriana. Mahamenatra ny mijery ny lapa babangoana kanefa mivoaka eny avokoa ny lalàna ampiasaina sy ampiharina eto Madagasikara. Mampanongo tena ny toetra mampiseho fa lany fanahy, tsy mijery afa-tsy ny tombontsoa manokany. Asa ? Voambolana tsy misy eo amin’izy ireny ve izany hoe « feon’ny fieritreretana » izany? Anatin’ny fotoam-pivoriana mahazatra anefa izao fa tsy hoe tsy ara-potoana, mety ahitana fikafika samihafa, tsy hiakarana eny Tsimbazaza.
Any ifotony rehetra any, mampiteny ny moana ny fanam­param-pahefana ataon’ny sasany. Tsy vitan’ny tenany irery fa «deba» mitovy aminy, tsy azo kitihina ny fianakaviana sy izay mifandray aminy. Hatramin’ny mpanokatra vavahady no maha­sahy izay tsy mitovitovy firehana amin’izy ireo. Tsy misy mijery izany asa fampandrosoana izany. Samy manao ampihi­mamba sy izay danin’ny kibony ireo nomem-pahefana.
Tsy mahagaga ny mikasika izany ! Satria olona tsy maty manota sy mifampiaro izy rehetra. Raha ho an’ny solombavam­bahoaka, mazavabe ny sata mifehy azy. Angaha ireny azo samborina na toriana ! Ny tena zava-doza anefa ankehitriny, zary mivadika ho zavatra hafa izy ireny. Mivadika ho fizaho­zahoana sy fakana ny fon’ny vahoaka anatin’ny tsy fanajana lalàna. Taiza teto ambonin’ny tany no misy depiote manentana ny olona tsy hanaja ny rafi-panjakana na hihantsy ny fanjakana mijoro ka hampanao fitsaram-bahoaka ?
Marina fa akaiky ny fotoam-pifidianana saingy tsy midika ho fanaovana fanjakan’i Baroa izany. Olon-dehibe, to teny eny anivon’ny fiarahamonina misy azy ireo mpanao politika ireo ka tokony hipetraka ho fakan-tahaka tsara. Tsy ampy ny misora-tena ho izatsy na izaroa fa mitaky asa sy fitondran-tena men­drika.
Mampalahelo sy mampametra-panontaniana ny mahita ireo mpanao politika, heverina fa malala-tsaina kanefa mamotika ankolaka na mivantana ilay Madagasikara. Raha misy aza ny mba mandeha mahitsy dia zary mihafihafy. Matahotra ny tsindry sy terivaimanta ataon’ny namany sy ny manodidina azy. Tsy mahagaga, mangina dia zary mpiray tsikombakomba tsy fidiny. Vokany, ny vahoaka madinika ihany no mizaka ny tsy eran’ny aina.. Asa, hanao ahoana aorian’ny fifidianana fa tena simba tanteraka aloha ny tontolo politika eto Madagasikara, amin’izao fotoana izao? Miandry fahagagana!

r.r

Partager sur: