Ankizy (11-15 taona) niala an-daharana tany an-dakilasy 210 isan-taona no ampianarin’ny mpampianatra voaofana amin’ny fandaharam-pianarana manokana anatin’ny kilasy Asa avotra sekoly malagasy (Asama). “Tanjona, miatrika fanadinana CEPE sy 6ème izy ireo aorian’ny herintaona faharetan’ny fampianarana, vatsian’ny fikambanana Rotary Club Mahamasina vola, tao anatin’ny 20 taona”, hoy ny filohany, Rajaonson David, omaly, teny Antanimena. Mila vola ny fividianana ny fitaovam-pianarana ho an’ ny mpianatra 210, ny karaman’ny mpanabe sy ny hofan-trano ary indrindra ny sakafo isan’andro hampazoto ny ankizy tsy hanapaka mihitsy. 42 125 ny sakafo zaraina isan-taona anatin’ny kilasy Asama fito (Soavimasoandro, Ivandry, Anosipatrana, Ambolokandrina…) eto Antananarivo. Ny fokontany sy ny mpampianatra no manadihady ny ankizy tokony hisitraka ny fampianarana satria voafetra ho 30 isaky ny kilasy no raisina. 80% ny taham-pahafahana CEPE ary misy ireo manohy ka 10 ireo tafita hatramin’ny fampianarana ambony hatramin’izao.
Mila vola ny fampihodinana ny kilasy Asama fito ka manao fitadiavam-bola ny mpikambana 45 ao amin’ny Rotary Mahamasina. Manomana fampisehoana, tantara an-kira, ahitana dihy, hira sy teatra izy ireo mitondra ny lohateny “Moulin rouge”, izay tantara nanana ny lazany tany Frantsa. “Malagasy avokoa no hilalao sy hamelona ny tantara an-kira, mandritra ny ora roa, ny 8 sy 9 jona ao
amin’ny IFM Analakely”, hoy Ramakavelo Antsa, mpikarakara.
Vonjy