Tafiditra ao anatin’ny tan-tsoroka ho an’ireo firenena afrikanina miara-miasa amin’i Chine ireo fitaovana natolotra ho an’ny ankizy, avy amin’ny vadin’ny filoham-pirenena sinoa.
Notoloran’ny masoivoho sinoa fitaovana isan-karazany ireo ankizy 300, zanaky ny sahirana etsy amin’ny Seba sy MadCap Isotry, omaly.
Nahitana vary, menaka, kidoro, savony, kilalao, fitaovam-pianarana, akanjo, kiraro, tohana ara-tsakafo, fanafody, fitaovana fidiovana… Fitsinjovana ireo ankizy aty amin’ ny tany afrikanina izay miara-miasa amin’ny firenena sinoa no hanaovana ny hetsika. “Ampirisihana ireo ankizy amin’ny fahaizana sy fahendrena ny tohana toy izao”, hoy ny minisitry ny Mponina, Soafilira Princia, izay nisolo tena ny fanjakana teny an-toerana.
Nisitraka ny fizaham-pahasalamana ataon’ireo dokotera avy any Chine ihany koa ireo ray aman-dreny niaraka amin’ny ankizy. Tsaboina avy hatrany ireo tsy salama ary mahazo fanafody.
Mifanandrify amin’ny fotoana hanamarihana ny iray volana ho an’ny ankizy ny fizarana fanampiana.
Ireo fianakaviana sahirana sy tsy manan-kialofana no raisina ao amin’ny fitobiana, raha ny fanazavana nentin’ny tomponandraikitra, Rakotondrainibe Andry. Tokantrano 450 no zakan’ny Seba sy MadCap. Ao amin’ny Seba, mbola misy olona traboina nianjeran’ny trano teny La Haute mbola mipetraka ao. Misy lasa mitondra kilema mihitsy izy ireny. Ombam-pianakaviana izy ireo arakaraky ny tranga misy. Natao handalovana ihany ny toeram-pitobiana saingy misy tafajanona maharitra noho ny trangam-piainana sasantsasany, misy tsy afa-miasa intsony.
Misy fepetra ifampitondrana toy ny ora fidirana sy fivoahana, fifanajana ao anatiny sy ny fahadiovana… Misy tsy mahazaka ny fifampifehezana ny olona ka lasa mivoaka.
Tatiana A