Tapitra ny tetikasa VectorLink: olona 6 tapitrisa mahery voaaro amin’ny tazomoka

Nampahafantarina omaly, tetsy Ankorondrano, ny fiafaran’ny tetikasa “VectorLink”, izay niompana betsaka ta­min’ny ady amin’ny tazomoka teto Madagasikara. Na­nom­boka ny taona 2018 ny tetikasa ary nitentina 12 tapitrisa dolara ny vola niasana, izay novatsian’ny Vinan’ny filoha amerikanina ho an’ny ady amin’ny tazomoka (PMI) ary tantanan’ny USAID.
Malagasy miisa 1,4 tapitrisa no voaaro tamin’ny alalan’ ny famendrahana odimoka ao anaty trano isan-taona. Teo koa ny fanesorana ireo toerana fanatodizan’ny moka eny an-tanimbary mirefy 8.000 ha.
Olona 6 tapitrisa mahery no voaaro tao anatin’izany hetsika izany. Ankizy latsaky ny dimy taona miisa 9 hetsy ary vehivavy bevohoka miisa 2 hetsy no nahazo tombontsoa.
Nanome asa ho an’ny olona 15.000 izay niasa toy ny mpamendraka, mpanentana na koa mpiasa mpanohana, izay nanome tosika ara-toekarena ho an’ ny vondrom-piarahamonina teny an-toerana, ny tetikasa Vectorlink.
“Rehefa ampiarahana amin’ny hetsika hafa toy ny fampiasana lay misy odimoka rehefa matory, ny fitsaboana ny vehivavy bevohoka, ary ny fizarana fanafody misy “artémisinine”, dia afaka mandroso amin’ny tanjona ho fanafo­a­nana ny tazomoka eto Ma­da­ga­sikara isika”, hoy i David Parks, tale lefitry ny biraon’ny fahasalamana eo anivon’ny USAID/Madagasikara.
Distrika 20 amin’ny faritra 12 no nanaovana famendrahana. Nanampy ny fandaharanasa miady amin’ny aretina tazomoka (PNLP) eto Ma­da­gasikara amin’ny fanatsarana ny asa ihany koa ny tetikasa. Mifanaraka amin’ny fenitra iraisam-pirenena ny famendrahana odimoka ary tsy misy ahiana amin’ny fahasalaman’ ny mponina.

Tatiana A

Partager sur: