Zazavavy vao 11 volana niharan’ny fanolanana nataona lehilahy iray mpanampy an-trano tao Androtravo Antambao, kaominina ambanivohitra Ambatolampy, ny alakamisy teo. Mpampianatra ao amin’io toerana io ny renin’ilay zaza. Tamin’ny fotoana namorian’ ilay ramatoa reniny ny vary karamany tany amin’ny ray aman-drenin’ny mpianatra no nanararaotan’ilay mpanampy ilay zaza. Rehefa niverina, tsy nahalala na inona na inona. Nirahina anefa ilay tovolahy mpanampy. Mbola natory kosa ilay zaza ka niandry azy ho taitra ny reniny. Noheverin’ ity farany fa ho manao maloto, namoaka feo hafahafa io zanany io. Niakatra hijery ilay zaza ity reniny kinanjo efa nidiridiry ny mason-janany. Tsy nahahetsika firy koa io zanany io. Nojereny ny tao anaty kilaotiny izay efa feno maloto. Nentina namonjy hopitaly CHRR Tsiroanomandidy avy hatrany io zaza io ka voamarin’ny mpitsabo fa niharan’ny fanolanana. Simba vokatr’izany ny fivavian’io zaza io. Tsy hita popoka kosa ilay nahavanon-doza. Ankilany, noraisin’ny tsara sitrapo an-tanana ny fiandraketana ilay zazavavy 12 taona niharan’ ny fanolanana ka bevohokan’ny raikeliny tao Vatomandry.
Tsiferana R.