Volan’ny teny malagasy : mila omena sehatra ny mpikaroka

Isaky ny volana jona, voatsiahy hatrany ny hasin’ny teny malagasy. Maro ny hetsika ho fanamarihana na fankalazana ny volana ho an’ny teny malagasy. hatramin’izao anefa, tsy mbola hita mivaingana loatra ny vokatr’ireny. Antony iray mahatonga izany ny tsy fahazoan’ny mpikaroka sehatra lehibe ahafahany mivelatra. Saika mijanona hatreo amin’ny famoahana boky (amin’ny isany vitsy), raha lasa lavitra indrindra.
Mila fanohanana ny mpikaroka. Tokony ho tonga sy hipaka any amin’ny sehatra mila azy ny voka-pikarohana fa tsy hijanona any anaty boky fotsiny. Iray amin’ireny, ohatra, ny famohazana ireo vo­am­bolana fampiasan’ny Ma­la­gasy fahiny. Fikarohana sy famoronana voambolana vaovao. Ny fanapariahana izany amina sehatra lehibe tahaka ny haino aman-jery samihafa sy fitaovan-tserasera isan-ka­razany.
Raha ireo no tanteraka, hitana toerana lehibe eo amin’ny fiainan’ny Malagasy ny fampiasana ny teniny… Saingy, tsy izay ny zava-misy ankehitriny fa ny vahiny indray no liana amin’ny teny malagasy !

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: