Voasambotry ny polisy misahana ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina (Stup) teny Antohomadinika Atsimo IVO, afakomaly atoandro, ny vehivavy iray malaza ratsy amin’ny fivarotana zava-mahadomelina mahery vaika. Efa tsikaritry ny polisy miasa ao amin’ity sampana ity ny fisian’izy io. Nidina teny an-toerana avy hatrany ny polisy nanao ny fanaraha-maso ka voamarina tokoa izany. Natao ny vela-pandrika ka tratra teo an-tokontaniny ity vehivavy ity. Nahitana rôrô 0,78 grama teny aminy nandritra ny fisamborana azy. Nilaza izy fa hoe misy olona mamatsy sy manatitra izany entana izany ao aminy. Vidiany 1 hetsy Ar ny iray grama ka zaraina 15 isa indray izany ka amidy 10 000Ar ny fonosana kely iray. Rehefa lafo ny entana vao maka indray izy sady mandoa vola. Nilaza izy fa efa iray volana sy tapany nanaovana ity asa ratsy ity. Herinandro no andaniany ny iray grama. Ireo lehilahy no tena manjifa ao aminy ka tanora ny ankamaroany.
Jean Claude